faingana re Jesoa (Antsa an'i Kristy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fisenton'ny foko
Angamba fantatrao?
Voaratra sy voavono
Voageja tsotra izao.

Voatohina hatrany!
Ny fery ato anaty
Mikiky mahafaty
Ka mila Anao izaho.

Ref:
Nahoana loatra Ray?
Nahoana no izaho?
No hianjadian'ny ratsy
Sy loza rehetra izao.
Izaho efa ory!
No mbola ampahoriana
Faingana re Ianao Jesoa
Hanavotra ahy izao.
....
Ny zavatra ilaiko
Dia fiadanam-po!
Tsy vola na harena
Izay tsy ho zakako!

Miangavy Anao aho!
Mandady raha azo atao
Avoty ny mahantra
Mijaly mafy izao.

Ref: ...
.....

Fa fifaliana ihany
Fifaliana ao aminao
Faingana re Ianao Jesoa
Hanavotra ahy izao.

Fa fifaliana ihany hoy aho
Fifalian'ny fo hatrany
Faingana re Ianao Jesoa
Hanavotra ahy izao.

Fa fifaliana ihany hoy aho
Fifalian'ny fo hatrany, hatrany, hatrany!
Faingana re Ianao Jesoa
Hanavotra ahy izao.

Faingana re Ianao Jesoa
Hanavotra ahy izao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsa an'i Kristy
Hits : 1858
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 02/12/2021 19:27
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768