Mangetaheta (Antoko Mpihira Maintimolaly FLM 67Ha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesosy o aiza Ianao fa mila Anao aho
Tiako ny eo anilanao

Tantano aho hanaraka Anao
Raiso ny tanako izao
Aza typxsmf avela hiala Aminao
Trotroy eo an-tratranao

1-Mangetaheta ny foko
Maniry sy mitoloko
Miangavy sy mitalaho
Hiara-dia Aminao
Mitady ny famonjena
Miandry sy manantena
Jesosy o aiza Ianao fa mila Anao aho
Tiako ny eo anilanao

Tantano aho hanaraka Anao
Raiso ny tanako izao
Aza avela hiala Aminao
Trotroy eo an-tratranao

2- Ny fiainako manontolo
Foiko mba ho Anao daholo
Ianao no hitarika ahy
Fo sy saina ary fanahy
Aza avela haniasia
Fa tano ho Anao doria
Jesosy o aiza Ianao fa mila Anao aho
Tiako ny xhzmthfo tononkira.serasera.org eo anilanao

Tantano aho hanaraka Anao
Raiso ny tanako izao
Aza xgitcs avela hiala Aminao
Trotroy eo an-tratranao

Tantano aho hanaraka Anao
Raiso ny tanako izao
Aza avela hiala Aminao
Trotroy eo an-tratranao

Jesosy o aiza Ianao fa mila Anao aho
Tiako ny eo anilanao .

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira Maintimolaly FLM 67Ha
Hits : 109
Likes : 0 Like
Created by : Ralivat
Date : 19/06/2026 07:09
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0457