Saino (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Babo ny fanahy, rehetra ataonao ahy
Tsy hoe inona na koa hoe ahoana
Ireo fankam-panahy Ô Ô Ô mamay
Mandoro ka tsy ho tantinao, avelao ho tsiny any

Tazominao ny soa sy tsara, tsy mety anan-dratsy

Ho anao io ihany no anoratako
Ity soratro hipetra any ahoriana
Ny tenanao ihany, izay ho ambarako
Fiainana manampetra saino hoy aho

Natao tsy hiteny, raha misy ny tsy mety
Diso indray anefa raha izany no iainana
Mananatra ny hendry aho, raha sitrakao dia avelao
Hilaza ny ao am-po sy saina na mangidy no mamy no miaina

Oh Oh Oh Oh

Tazominao ny soa sy tsara,
Oh oh oh tsy mety anan-dratsy

Ho anao io ihany no anoratako
Ity soratro hipetra any ahoriana
Ny tenanao ihany, izay ho ambarako
Fiainana manampetra saino hoy aho
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AmbondronA
Hits : 17685
Likes : 0 Like
Created by : Aino
Date : 31/08/2008 08:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752