You are here: home > Tononkira > AmbondronA

Havaoziko ny ENY (AmbondronA)

Na dia fantatro aza fa
Efa any aminao any
Ity fitia nolalaina nifampizarana


Dia…
Indro hamafisiko indray
Ho an’ny ampitso, rahatrizay
Hamoa izay novolena, ho koloina ny efa nekena
Tsy an-tery ny ahy fa feo sy bitsiky ny fo
Hanome aina indray, hamoha ny soa taloha

Havaoziko ny ‘’ENY’’, izay notànako
Hanampiako ny teny, ef’iny ny foko
Nomeko mangina, ahaTsiky dia ampyritra hatrany
Fitia : ‘’nifaliana, ndraindray tomany’’

Izay vita no tantara
Fa ny ahy iriko tsy hisy fara
Fa mbola hitohy, tsy hifankafohy

Dia…
Toa ireny vao niandoha
Isan’andro isan’ora
No hanehoko fitia, na maraina na ny hariva

Manina foana malahelo, te hifanila hatrany
tsy hangatsiaka irery hilaozan’hafanana
Notanako ny teny, ny foko efa nomeko…Havaoziko ny ‘’ENY’’

Hevitra mandeha

mbolatiana18 (16/01/2018 16:47:18)

tiko loatra mihintsy!

Tohiny Hametraka hevitra

Mpihira : AmbondronA
Mpamaky : 26959
Mpakafy : 5 Ankafizo
Nampidirin'i : meva64
Tamin'ny : 15/02/2013 20:42:39
ID : 6275

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy