Zioga (Akon'i Betela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ouu yé yé yé yé ziogantsika noentin'i Jeso
Mmh  yé yé yé yé ziogantsika, ziogan'i Jeso

Dia niainga Ilay Kristy Jeso
Nizioga irery ny Hazofijaliana
Ka ny kapoka sy ny fiakarana koa
No nahatonga Azy ho
Tsy zakany intsony, tsy zakany intsony
Tsy zakany intsony
Tsy zakany ka potraka Izy

Dia potraka tokoa Kristy Jesosy (potraka)
Nitambesaran'ny Hazofijaliana
Mafy loatra re ny kapoka (mafy loatra re)
Sy ny Zioga nentin'i Jeso (sy ny zioga nentin'i Jesoa)

Indro tovolahy iray no nantsoina teo (mba hizioga lay Hazofijaliana)
Mba hizioga indray lay Hazofijaliana (nefa nony tonga teo Kalvaria)
Nefa nony tonga teo
Teo Kalvaria ((Tsy izy no nohoboina teo tsy iza fa)
Tsy iza no nohomboina teo (Fa Kristy Fa Kristy)
Tsy iza fa Kristy (Yo yo yo yoyo Zioga a)

Ziogantsika (Zioga mavesatra)
Zioga mavesatra (Zioga izay zioga izay)
Zioga izay otantsika sy heloka (otantsika sy heloka)
No nozakain'ny Tompo irery ihany (No nozakain'ny Tompo irery ihany)
Dia nalaim-baràka Izy (Dia nalambaraka Izy)
Nietry voninahitra (nietry voninahitra)
Mba hisolo ny helokao

Dia potraka tokoa Kristy Jesosy (potraka)
Nitambesaran'ny Hazofijaliana
Mafy loatra re ny kapoka (mafy loatra re ny kapoka)
Sy ny Zioga nentin'i Jeso (sy ny ziogan'i Jeso ou ô nentin'i Jesoa)

Indro tovolahy iray no nantsoina teo (mba hizioga lay Hazofijaliana)
Mba hizioga indray lay Hazofijaliana (nefa nony tonga teo Kalvaria)
Nefa nony tonga teo
Teo Kalvaria ((Tsy izy no nohoboina teo tsy iza fa)
Tsy iza no nohomboina teo (Fa Kristy Fa Kristy)
Tsy iza fa Kristy (Yo yo yo yoyo Zioga a)

Ziogantsika (Zioga mavesatra)
Zioga mavesatra (Zioga izay zioga izay)
Zioga izay otantsika sy heloka (otantsika sy heloka)
No nozakain'ny Tompo irery ihany (No nozakain'ny Tompo irery ihany)
Dia nalaim-baràka Izy (Dia nalambaraka Izy)
Nietry voninahitra (nietry voninahitra)
Mba hisolo ny helokao (Mba hisolo ny helokao)

(Ilay Hazofijaliana
lay nozogainao Jeso Kristy
No nanoloranao ny ainao
Mba hanavotanao ahy anio
Mba hanavotanao ahy anio) x2

Mba hanavotanao ahy ka mifalia

Amin'ny lafiny iray dia mety halahelo tokoa ny fontsika satria maty ny Tompo
Nitondra ny ziogantsika
Nefa amin'ny lafiny hafa, tokony ho faly isika satria navotany a
Nitsangana tamin'ny maty izy andao hiara-hihira hoe faly aho eeee

(Faly aho, tena falifaly aho
Satria navotanao Jeso
Afaka ny Ziogako) x3

A/C: J.Joséa RABEARIVELO
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Akon'i Betela
Hits : 12
Likes : 0 Like
Created by : sarobidy
Date : 09/06/2026 10:34
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0858