Voahary (AKON'I BETELA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[Reo voahary mahafaly fo (Noharian'Andriamanitra ho anao)
Voninkazo, biby sy rian-drano
Kanto ery ny asan-tanan'ny Mpahary] x2
Feon-kira
(Miara-midera ny zava-boaary
Arak'izay talentany
Isika olom-belo (na) hidera Azy koa
Hidera amin-kira sy mozika) x2
Feon-kira
[Tsarovy fa an-danitra ao
(Miraondraona ny hira fiderana)
Reo anjely sy ny olomasina
Mankalaza mihoatra ny eto an-tany] x2
Refrain x2
Reo voahary mahafaly fo
(Noharian'Andriamanitra ho anao)
Voninkazo, biby sy rian-drano
(Kanto ery ny asan-tanan'ny Mpahary) x3
A/C: Joséa RABEARIVELO
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : AKON'I BETELAHits : 18
Likes : 0 Like
Created by : sarobidy
Date : 26/03/2026 09:25
