Tahio ny Tanindrazanay (Akon'i Betela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ry Zanahary any am-bony
Tahio ny Tanindrazanay
Mba hanjakan'ny fitiavana
Ary ny fiombonana (hifaknatia)
Hifankatia mandrakizay
Ary hiray fo mandrakizay

refrain:
Tahionao re ry Zanahary
Ty Nosin-drazanay ity
Ho sambatra mandrakizay
Hanjakan'ny fahasoavam-be mateza
Ny Tanindrazanay

2-Ry Malagasy hava-maro
Miraisa saina ary koa
Mifanampia hifanasoa
Mba handrosoan'ny fiainana
Hifankatia tsy hifanary e
Hifanohantohana

refrain

3-Ry Malagasy ô arovy
Ty Tanindrazanao ity
Tsy horobain'ny fahavalonao
Hisian'ny filaminana
Hifankatia sy hifamonjy re
Amin'ny andro sarotra

refrain

4-Ry Zanahary Ray Tsitoha
Tahio ny Tanindrazanay
Mba hanjakan'ny tena rariny
Ary ny fahamarinana
Hifankatia tsy hifandona ireo
Mpiray Tanindrazana

refrain

A/C: RABEARIVELO Auguste
Dô dia C
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Akon'i Betela
Hits : 9
Likes : 0 Like
Created by : sarobidy
Date : 15/06/2026 16:26
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0314