Miraisa hina (AKON'I BETELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain:
Miraisa hina e, hiara-dia isika
F'izay no fanirian'i Kristy Tompo harahantsika
Katsaho tokoa e ny fampiraisana
Ny fomba fanompona an'i Kristy Tompo harahantsika

Aza dia variana e, miady varotra e
Ka hanjary ny finoana indray no hampisaraka e
           Tsy misy hafa akory Andriamanitra e
            F'isik'izay mpitory no te hisaratsaraka e
Eeeeeee

(refrain)

Tany fihaviana sy volon-koditra e he
Dia tolo-janahary ka tsy azo hovaina io re e
          Fa hafa noho izany e, ny fivavahana
          F'isika mpino an'i Kristy no te hiavakavaka e
Eeeeee

(refrain)

Tia manandran-tena, sy be fialonana
Mpiatsara-velatsihy isika mpino an'i Kristy
              Ka fitiavan-tena, no sakobonina amin'ny
              Fomba fanompoana an'i Kristy Tompo arahintsika
Eeeeee

(refrain)

Miantsoantso mafy, Kristy Tompo Filoha
Miraisa hina ry mpivavaka eran-tany ô
          Tsy fombafomba akory ny fibebahana
          Fa fo madio sy masina no hamonjena anao
Eeee

(refrain) x 2
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AKON'I BETELA
Hits : 13
Likes : 0 Like
Created by : sarobidy
Date : 23/03/2026 08:24
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3388