Miantso anao ny Tanindrazanao - Faneva be (AKON'I BETELA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Miantso anao ry tanora ô (henoy)Ny Tanindrazanao (miantso anao)
Mahantra ka mila anao
Ireo vahoaka marobe
Afoinao ho rendrika ve (sanatria)
Ny Tanindrazanao (maminao)
Fitiavan-tena manjaka ao
No tena fahavalo ao
2-Sakaizan'ny Tompo Jesoa (be fitia)
'Zay tia namana (tena tia)
Fahavalon'Andriamanitra
Izay mpambotry namana
Ho foinao hijaly hitoreo (sanatria)
'Reo Malagasy ireo (izay havanao)
Fitiavan-tena vonoy re, fa tena fahavalonao.
3-Raha tena Kristianina ianao (enga anie)
Hanahaka an'i Kristy (Lay Mesia)
Ho tia an'Andriamanitra, ho tia namana eram-po
Ho foinao hahantra tokoa (sanatria)
4reo Malagasy ireo (zay havanao)
Fitiavan-tena levony e
Soloy fitiava-madio.
REFRAIN:
Soprano: Reko izao ny antso, Ry Tanindrazako
Ny heriko rehetra, no anompoako anao
Ö ry Gasikara, ho tena sambatra
Indreto izahay efa vonona hanompo mandrakizay.
Alto & Tenor: Reko ny feo, Feo mitoreo, Ry Tanindrazako tiako
Indreto fa vonona izahay, hanompo mandra-pahafatinay
Ry Firenena, tena tsy foy, ho tena sambatra mandrakizay
Indreto izahay efa vonona hanompo mandrakizay.
Bass: Reko ny feo 'zay miantso, ry Tanindrazako
Inty efa vonona re, hanompo mandrakizay
Ry Gasikara tsy foy, ho sambatra mandrakizay
Indreto izahay efa vonona hanompo mandrakizay.
A/C: RABEARIVELO AUGUSTE
HIRA FANEVAN'NY AKON'I BETELA FAHA-20 TAONA
(17 Mai 1964 - 17 Mai 1984)
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : AKON'I BETELAHits : 30
Likes : 0 Like
Created by : sarobidy
Date : 02/04/2026 07:58
