Gologota (AKON'I BETELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Holazaiko anareo
Ny tantaran'i Gologota ry zareo
Toerana iray
Mampihoron-koditra sy mampihorohoro
Io Gologota io
Raha adika dia Ikarandoha
Famonoan'olona nanomboina an'i Jeso
Ka indro fa, fandresena

Ref:
Fandresena
Ny anao ry Gologota
Jesosy Kristy nohomboina dia nitsangan'indray
Omaly izao anio ampitso faly e
Vita, resy Gologota

Tsisy afa-maina anie
Izay voaheloka ao Gologota hatramin'izay
Fa nijaly tokoa
Noesoina sy nampijaliana
Nohomboina
Io Gologota io, famazain'olon-dratsy
Notsaraina ka voahelok'ho faty

Nefa anie 'lay Kristy
Tsy mpanota toa an'i Barnabasy
Nefa indro kosa
Nohomboina sy nalaim-baraka
Lay Tomponay
Io Gologota io, no nanoloran'i Jeso
Ny ainy mba hanavotra ny mpanota

Refrain x2

Vita (x5)
Resy Gologota.

A/C: Joséa RABEARIVELO.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AKON'I BETELA
Hits : 13
Likes : 0 Like
Created by : sarobidy
Date : 23/03/2026 08:05
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.165