Feon'ny Lanitra (Akon'i Betela)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-(Mifaly avanja ka mihiraNy mponina ao an-danitra ao
Dera Haleloia sy Hosana
No re ventesin'izy ireo
(Koa indreo)
Indreo mihira fiderana
Midera an'Ilay Ray Mpahary
Feo tsara sady soa
Kanto mirindra koa
Zany no feon'ny Lanitra) x2
Ampio izahay Jesosy o
Ho tongasoa an-danitra ao
Ka ny tena irian'ny fonay
Dia hifalianay indray andro any
Ka mba hiaraka hihira amin'ireo anjely maro
Ho sambatra mandrakizay
Eo anilan'ny Ray
Ho sambatra mandrakizay
Hitoetra eo anilanao
2-Ireo anjely miara-paly
Sy miaraka miventy hira
Amin'ireo natokana handova ny fiainana mandrakizay
(I-injao)
Injao fa re tena mirindra
Izany hira sy mozika
Miredona tokoa
Mamalifaly fo, soa ny feon'ny Lanitra
refrain x2
Hitoetra anilanao
Hitoetra an-danitra ao
Hitoetra
Hitoetra ô ô ô
Hitoetra an-danitra ao
Hitoetra
(Hitoetra anilanao (x3)
An-danitra ao) x2
A/C: Joséa J. RABEARIVELO
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Akon'i BetelaHits : 22
Likes : 0 Like
Created by : sarobidy
Date : 10/06/2026 10:12
