Taiza ianao? (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taiza ianao tamin’ny ora nidona
No izao vao mba tonga hifona
Izaho aty efa biby
Eh ty foko efa mihidy

Taiza ianao fony aho reraka
No izao vao hibebaka
Izaho tsy Tompo ivavahana
K’hizara famelana

Ny akanjoko jereo mazàna
Misy fofon’olonkafa
Fandrianako tsapao mafana
Fa vao eo izy no lasa
Fa vao eo izy no lasa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151