Tena tiako ianao (Mirado)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Androany 'zao dia 'zao'Zao no ilazako aminao mazava
Ny ato am-poko hatramin’ izao
Ka mba raiso sy henoy
Fa mba iangaviako mihitsy ianao
Tsy fanaoko izao, milaza hoe:
Tiako ianao
Sanatria tsy sangisangy
Na hoe teny an-tendromolotra ihany
'Zao lazaiko anao izao
Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ianao, tena tiako ianao
Ref:
Tsy manery anao anie aho
Tsy hoe koa hoe mitalaho
Fa ny ao am-poko
'Zay ao anatiko
Izay no tsoriko aminao
Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ianao, TENA TIAKO IANAO
(Feon-kira)
Tsy mila valiny aho
'Zaho tsy hangataka hiaraka aminao
Tsy izay no tanjoko
Fa raha toa tsapanao
Fa mitovy lanja amin’ny ahy
Ny fitiavanao, dia raiso ny tanako
Ref:
Tsy manery anao anie aho
Tsy hoe koa hoe mitalaho
Fa ny ao am-poko
'Zay ao anatiko
Izay no tsoriko aminao
Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ianao, TENA TIAKO IANAO
(Feon-kira)
Ref:
Tsy manery anao anie aaa, aaaho
Tsy hoe koa hoe mitalaho
Fa ny ao am-poko
'Zay ao anatiko
Izay no tsoriko aminao
Raha tsy mino ahy ianao
Indro averiko indray ho renao
Tiako ianao, TENA TIAKO IANAO
Tiako ianao, TENA TIAKO IANAO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : MiradoVangy : 21878
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 08/12/2006 14:57