FO MITAMBATRA (FIHIRANA FANAMPINY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FO MITAMBATRA

Fo mitambatra ho iray,
No ho entina eto izao
Mitrotro ny fitia,
Ho hamasinin’Andriamanitra
Hitombo hery Sy
hamerovero koa
Ka hifanaiky ireto olon-droa,
Fa hiombom-piaianana
Na inona no hiseho eto an-tany
Dia ho vonona hifampitantana

Ref: Fitiavana toy ny an’ilay Jeso
     Fitiavana manolotra ny aina (x 2)
     Fitiavana mandresy fahotana
     Fitiavana ho mandrakizay doria

Toy izao androany  izao,
lay nofinofy Zay
niainanay taloha
Ka indro fa miara-belona,
miara-sambatra an’ivo ny fitia
Lay dina izay niarahana nikolo
Nohamafisina ho doria
Ho tehirizina ho vaovao
Handrobona hitombo hasina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197