Tsy haiko (Black Jack's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Asa ianao raha  ohatr’ahy,
Fa ny fahoriako sy ny fijaliako dia ezahiko ho zakaina irery
Asa ianao raha ohatr’ahy
Fa ny hasambaran-keliko eto an-tany dia koloiko tsy ho verivery

Tsy ilaina akory angamba hoy aho ny mitantara lava izay manjo,
Mety ho maizina ny tany fa atrakao ny loha !
Mety ho ratsy ny androany fa rahampitso ho soa
Satria efa voasoratra  fa samy mba mizaka ny hazo fijaliany,
Samy manana kapoaka kely nisotroany ny rano tsy tiany.

2- Asa ianao raha hino ahy
Fa maro  ireo mizàka fahoriana  folo avo heny noho ianao
Tsy haiko ianao raha hino ahy
kanefa tsy misoka-bava kely akory  izy ireo na mitalaho

Ezahiny tsy hisoritr'eny an-tavany eny kely akory ny hakiviana
Vao maika volamena ho azy ny mangina
Vao maika harena ho azy koa  ny fihafiana
Na dia fadiranovana aza izy tsy hitakiky aminao, tsy handady
Fa raha mbola misy fofon’aina ampy hijoroany dia aleony mitady!

3- Asa ianao raha homba ahy
Fa aleo mizàka tena dieny  izao sao dia  mba ny ao aoriana no tsy ho zaka
Tsy haiko ianao raha homba ahy
Fa mafy koa raha mafy raha ny havana hila ampiana no indreo  mandatsa

Ilay hambom-po anananao tsy  nohindraminy inona no ataonao trosa
Ny maha ianao anao io no ataovy miavosa
Kanefa na dia izany  aza adinonao kosa
Milohaloha lanitra ny tena ka tsarovy  fa indray andro any
Mbola mety ho mba ho lena sy ho potraka koa  raha mandia ny tany.


4- Tsarovy ao an-tsaina anie !
Fa ny havana raha tiana sy lalaina tsy azo iaraha-monina ela be
Mazàna ireo kabary tsy valiana izay ataony  mbà mandratra fo
Hitroatra ve ny tena mba ho aiza moa?
Hitady izay harena toa very zo

Tsy aleo ve miaina tsisy romoromo tamin’ny ravimbo-manga kely sy patsa
Toy izay any amin’ny havana hanim-pito loha fa arahin-datsa !

Tsy aleo ve miaina tsisy romoromo tamin’ny ravimbo-manga kely sy patsa
Toy izay any amin’ny havana hanim-pito loha fa arahin-datsa !
--------
Rohy:
Hevitra
iasna ( 07/02/2023 23:06)
Be diso be ilay izy kanefa tsy afaka ahitsy akory
hery ( 07/02/2023 23:25)
Afaka ka. Efa nahitsinao dia mbola nisy nahitsiko kely koa... dia napetrako ny hira.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Black Jack's
Vangy : 10694
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 12/05/2007 23:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134