Loko natoraly (Oladad)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Malagasy iray rà, anoo rana hifankatea

F'efa loko natoraly tsa ho voafafa na oviana
Efa voajagnahary, loharano niaviana
Ny vola tsa am tegna, mifogno lambamena
Tsa mba ho afaka am tegna eeeh

Ref:
Mainty² tsa tian’olo sy agnaay
Fotsy² halan’olo  agnareo
Mety² tsa tian’olo sy agnaay
Mavo² halan’olo
Aza magnavakava-bolo-kodits’ona
fa mitovy aby ny ona,
sahala aby ny ona,
De vana mitafy lamba fotsy aby ny ona
Raika aby ny ona, agnay ve tsy ona

Ho agnatsena ny azafady e, akory aby e, tsa magnahy e
Ho atsika mpianakaby e, aza miady e, mifankatiava e
Aza magnavaka ny volo-koditsy ny ona
fa mitovy aby ny ona,
sahala aby ny ona,
De vana mitafy lamba fotsy aby ny ona
Raika aby ny ona, agnay ve tsy ona

Efa loko iray tsy ho afak’io fa mandrakizay
Natoraly natoraly fôna mandrakizay
18 foko, faritany 6 ieah!! teny gasy no ifandraisana
Vary no foto-tsakafo
Nosy midadasika, sary tongotra ankavia
Madasikara Vahoaka Malagasy
karazan’olona maro bediabe no mifangaro zarain’ny toerana
Misy atsimo avaratra andrefana atsinana
Zaho sy ianao Malagasy, isika rehetra Malagasy
Ka aza mihafahafa , fa tsa misy hafa
De tazomy ny anao, fehezo ny an’ny hafa
De ho hitanao fa hivoaka ilay mozika hafa

F'efa loko natoraly tsa ho voafafa na oviana
Efa voajagnahary, loharano niaviana
Ny vola tsa am tegna, mifogno lambamena
Tsa mba ho afaka am tegna eeeh
(x2)

Ref.

Azafady, azafady bandy e
Tsy na manga intsony angah izany fa fihanta nandra
Saingy esory, na mainty elah na fotsy elah tokana zavatra fantatro
Vary ihany no hanina, sa hande higoka anze any
averiko ny fanontaniana, avy aiza taiza niaviana, minina
Mpaniratsira manisy sira tsy ny an'ny tena no hatsaraina
Manjavona anaty toy ny zavona lah ilay fombandrazana
Gasikara lasa tany ngazana
Ia ia miseho manaratsy, iza iza miseho manambany
haka tava ny an'ny sasany, inoako fa hahatody azy lavitra, avotraaa


Ieah,
Oladad, Raprôsy, Rasim
Han
Tantarao baba Raprôsy aaa
Rap gasy zafindraony,
Eka


F'efa loko natoraly tsa ho voafafa na oviana
Efa voajagnahary, loharano niaviana
Ny vola tsa am tegna, mifogno lambamena
Tsa mba ho afaka am tegna eeeh
(x3)
.......
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Oladad
Vangy : 5251
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : hrindrat
Daty : 06/09/2010 22:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015