Afindrafindrao (Oladad)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
♩ ♪ ♫ ♬Sokafy ny fety, manomboka ny eto
Samy milahatra tsiroaroa
Ny lehilahy afara, ny vavy ao aloha
Sady mifandray tanana
De mamindra tsiraika sy mitsaitsaika
Somary mijanona kely kaloha
Ahorirana mitodika any ny loha
Alamindamino amzay le zao e
Zany ny afindrafindrao
(x2)
Izay le feon-kira iray, ahafantaranay
Ny maha gasy anay e
Tsisy mpanana io, tsy nindramina
Tsisy tsy mahalala an'io raha mbola malagasy
Indrindra rehefa fety, toa izy iany no mety
Fanokafana lanonana, fanombohana ny fety
Tsy nasiana fanovana io, nampanarahana ny taona
Fa na kely na lehibe, tsotra kely fa tsy sarotra
Dihin-drazana, tsy nampianarina
Hain'ny retraretra tsy mila atoro ô
Na tanora na fotsy volo e
Ao anaty feon-kira no ahitana fifaliana
Fahatsiarovana raha any an-tany lavitra ianao
Toa mahatsiaro manina ianao
Madagasikara, tanindrazanay malala
Fa ny afindrafindrao dia fandihy malagasy e
Tsisy mahay an'ity raha tsy gasy e
Kolon-tsaina miavaka kely e
Mora kandrefika ka ny mpijery
Ka na zovy firenena
Mahita an'izany dia manongo tena
Mahita valala mandroa sesehena
Midoladola mijaika tsy taitra
Tsy maika kanefa tsy tara
(x2)
♩ ♪ ♫ ♬
Tohizo fa tsara ny afindrafindrao e
Somary navaozina kely izy zao e
Nampanarahana ny toetr'andro
Misongadina foana mba tsy ho lany andro
Andihizan'ny olona maneran-tany
Afindrafindrao, gasy izany
Tsy latsa-danja amin'ny gadona hafa
Hisintona ambony, hanandratra foana
Ny afindrafindrao dance hall
(x2)
♩ ♪ ♫ ♬
Sokafy ny fety, manomboka ny eto
Samy milahatra tsiroaroa
Ny lehilahy afara, ny vavy ao aloha
Sady mifandray tanana
De mamindra tsiraika sy mitsaitsaika
Somary mijanona kely kaloha
Ahorirana mitodika any ny loha
Alamindamino amzay le zao e
Zany ny afindrafindrao
Raha vo maheno azy ianao, tsapanao fa fety
Mikorana aminazy ianao falifaly e
Miaraka aminay ianao tsy mijaly e
Dihin-drazana, han
Vahiny mitazana, maheno ny lazany
Atsimo, avaratra, andrefana atsinanana
Maheno azy mitsangana
Mandihy de mitambatra ho iray
Yo, avia ze te hiaraka aminay
Afindrafindrao, afindrafindrao
Yo, ty ty ty le dihin-drazanay
Tsy ho arianay mandrakizay
Fanokafanay lanonana izy ty
Fanombohanay ny fety izy ty
Ny vahiny no mitonana aminazy ty
Tsy itambaranay amin'ny hafa, han
Ao am-ponay mandrakizay
Tsy ho very io mandrakizay
Tohizo fa tsara ny afindrafindrao e
Somary navaozina kely izy zao e
Nampanarahana ny toetr'andro
Misongadina foana mba tsy ho lany andro
Andihizan'ny olona maneran-tany
Afindrafindrao, gasy izany
Tsy latsa-danja amin'ny gadona hafa
Hisintona ambony, hanandratra foana
Ny afindrafindrao dance hall
♩ ♪ ♫ ♬
--------
Rohy: