Salamanga (Oladad)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
♩ ♪ ♫ ♬

Ny avaratsa, ny atsimo
Ny andrefa, ny atsinanana

Salamanga toy, salamanga ho'aho
Salamanga, salamanga ho'aho

♩ ♪ ♫ ♬

Mampalahelo izao ny fiaignana e, fa niova aby ny fisaignana
Mampalahelo izao ny fiaignana e, tsa misy azo itaraignana
(x2)

'Zah mahita ny fiainana isanandro
Tsy mifampiarahaba ny olona mandra pilentika ny masoandro
Samy maka ho azy, tsy mifampiditra antrano, fihavanana lasa rano
Atao ambony : fitadiavana

Avy eo le havana, fiaraha monina miaina ao anatin'ny fiainana
Bordélika, otran'ny alika

Izay ambony ihany no lelafina atao namana
Fa manana vola aman-karena
Hadino ilay nofon-kena mitampihavanana nefa samy mbola eny
Tsy mifanaja, samy manao izay tiany atao
Lalàna lasa ankilabao, mifangejageja etsy sy eroa
Misy ady, maty maty lery, migadra gadra lery
De miakatra fitsarana moramora, dia vita moramora
Satria mande ilay tsolitra sy le vola
Tsisy intsony ilay fanjakana tandàlana
Izay manambola iany no tompon'ny fahefana
Majinika mifitsaka, antampondoha voahitsaka

♩ ♪ ♫ ♬

Mifamosavy ny mpianakavy, mifankahala mifanaraby ô
Miantraika amin'ny firenena, manjaka koa ny fitiavantegna à
Mivaona aby ny fitaizana, malazalaza ny filefagna à
Tsa voafehy koa ny kilonga, vetivety dia mirongaronga à

Ie ny fiaignana e
(x2)

Mampalahelo izao ny fiaignana e, fa niova aby ny fisaignana
Mampalahelo izao ny fiaignana e, tsa misy azo itaraignana
(x2)

Ayô, sarotra ny miaina, io tsy vitan'ny mandeha hoazy io
Fa mila misaina, feno fitaka, feno lainga
Lalampiainana iainana, n'iza n'iza tsy itokisana
Na ny akama, na ny havana, matetika io mazàna
Tsy faly amin'izay mahasoa, na tsara na ratsy
Izay ataonao de tsy mety, lazainy foana fa tsy mety
Ny azy foana no fantany, izay hahatsaratsara ny fiainany
Mifanipaka anaty, Ayô, toy ny valala an-karona
Izay tafarina indray izao no hitsahina
Zanaka mamaly, ray amandreny mijaly
Ankehitriny tsy toy ny taloha, taraiky elah de voa
Mihazakazaka elah atosika, mianjera elah hitsahina
Mila mitandrina foana, mila miezaka foana
Fa izany ny zavatra hita sy iainana amzao
Mino ianao tsara , tsy mino ianao de zay
Zany ny zavatra hita sy iainana amzao

♩ ♪ ♫ ♬

Mifamosavy ny mpianakavy, mifankahala mifanaraby ô
Miantraika amin'ny firenena, manjaka koa ny fitiavantegna à
Mivaona aby ny fitaizana, malazalaza ny filefagna à
Tsa voafehy koa ny kilonga, vetivety dia mirongaronga à

Ie ny fiaignana e
(x2)

Afendraka ny resaka, fa salamanga ro misintona, io ro afara
Eke
Folaka

♩ ♪ ♫ ♬

Agnaloha, agnafara
(x2)

Tsa ho vitan'izao leka ity fiainana ity leka zalahy reto ka
De rah raharaha any zao zalah
Miankina @tsirairay io
Marina, zavamisy any zao, zao ro iaignana eto zao
Simba raha mintsy, aleo anarina ny zaza
Zay ka

Mifamosavy ny mpianakavy, mifankahala mifanaraby ô
Miantraika amin'ny firenena, manjaka koa ny fitiavantegna à
Mivaona aby ny fitaizana, malazalaza ny filefagna à
Tsa voafehy koa ny kilonga, vetivety dia mirongaronga à

Ie ny fiaignana e
(x2)

Mampalahelo izao ny fiainana e, fa niova aby ny fisaignana
Mampalahelo izao ny fiainana e, tsa misy azo itaraignana
(x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Oladad
Vangy : 46
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Liva_R
Daty : 06/11/2024 15:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0911