Loko natoraly (Oladad)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Malagasy iray rà, anoo rana hifankatea

Refa loko natoraly tsa ho voafafa na oviana
Efa voajagnahary, loharano niaviana
Ny vola tsa am tegna, mifogno lambamena
Tsa mba ho afaka am tegna eeeh

Ref mainty² tsa tian’olo sy agnaay
Fotsy² halan’olo  agnareo
Mety² tsa tian’olo sy agnaay
Mavo² halan’olo
Aza magnavakava-bolo-kodits’ona
fa mitovy aby ny ona,
sahala aby ny ona,
De vana mitafy lamba fotsy aby ny ona
Raika aby ny ona, agnay ve tsy ona

Ho agnatsena ny azafady e, akory aby e, tsa magnahy e
Ho atsika mpianakaby e, aza miady e, mifankatiava e
Aza magnavaka ny volo-koditsy ny ona
fa mitovy aby ny ona,
sahala aby ny ona,
De vana mitafy lamba fotsy aby ny ona
Raika aby ny ona, agnay ve tsy ona

Efa loko iray tsy ho afak’io fa mandrakizay
Natoraly natoraly fôna mandrakizay
18 foko, faritany 6 ieah!! teny gasy no ifandraisana
Vary no foto-tsakafo
Nosy midadasika, sary tongotra ankavia
Madasikara Vahoaka Malagasy
karazan’olona maro bediabe no mifangaro zarain’ny toerana
Misy atsimo avaratra andrefana atsinana
Zaho sy ianao Malagasy, isika rehetra Malagasy
Ka aza mihafahafa , fa tsa misy hafa
De tazomy ny anao, fehezo ny an’ny hafa
De ho hitanao fa hivoaka ilay mozika hafa

Refa loko natoraly tsa ho voafafa na oviana
Efa voajagnahary …


--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Oladad
Hits : 5155
Likes : 2 Like
Created by : hrindrat
Date : 06/09/2010 22:45
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128