Ndeha hilalao (RR Majunga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tianao ’ndeha hilalao
Fa androntsika izao
Dia kendreo hifanaraka, hirindra
Ny fihetsika rehetra sy famindra
Ravaho hehy ny tarehy
Fa hisoritra fahazavana
Ivelaran’ilay hatanorana
Hatanorana

Rotsirotsy manan’amby
Angolangola tambitamby
O kalokalo sy hehy
No mameno ny tarehy

Raha tianao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3289