Ny vola (Henri Ratsimbazafy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
INy maha olona dia ny fanahy,
ny vola kosa hono, io no maha-rangahy,
Ireo vazaha milaza, tsy miambatrambatra
fa ny vola hono tsy mahasambatra.
Misy kosa anefa hafa fisainana,
milaza fa ny vola hozatry ny fiainana,
dia ezahany andro aman’alina
ny hanam-bola be, vola aman’alina.
II
Ny fitiavana aza, azo mora hono
raha ny vola no ataonao jono
izay voany manao be rapaka
ka voasaringotra izay vao tsy afaka.
Nony ela anefa lany ihany ny vola,
injay koa ilay fitia fa zary tola,
irony tositosy mivadika ho latsa
tsy misy intsony mantsy, lany teo ny patsa
III
Hariva ny andro, tonga ny aizina
Rafahafatesana eo, tsy azo laizina
Tambazam-bola be, tolorana harena,
Rafahafatesana... mihenahena !
Lambamena fito, lambamena sisa
ary voninkazo maro tsy hita isa
no manaraka hatrany am-pasana
fa ny vola be momba ny lasana
I sy II Ref.:
Vola o
Hatraiza moa no fetran’ny herinao ?
Vola o
ny olona rehetra manaiky anao,
manompo anao.
III Re£
Vola o
Hay va re misy fetra
ny herinao !
Vola o
ny olona rehetra
manompo anao
andevonao.
Henri RATSIMBAZAFY
1972
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Henri RatsimbazafyVangy : 4974
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 24/02/2002 20:35