Ny vola (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I
Ny maha olona dia ny fanahy,
ny vola kosa hono, io no maha-rangahy,
Ireo vazaha milaza, tsy miambatrambatra
fa ny vola hono tsy mahasambatra.

Misy kosa anefa hafa fisainana,
milaza fa ny vola hozatry ny fiainana,
dia ezahany andro aman’alina
ny hanam-bola be, vola aman’alina.

        II
    Ny fitiavana aza, bmxmvust azo mora hono
        raha ny vola no ataonao jono
  tononkira.serasera.org       izay voany manao be rapaka
  cpjioin       ka voasaringotra izay vao tsy afaka.

        Nony ela anefa lany ihany ny vola,
        injay koa ilay fitia fa zary tola,
        irony tositosy mivadika ho latsa
   srnr      tsy misy intsony mantsy, lany teo ny patsa

III
Hariva ny andro, tonga ny aizina
Rafahafatesana eo, tsy azo laizina
Tambazam-bola be, tolorana harena,
Rafahafatesana... mihenahena !

Lambamena fito, lambamena sisa
ary voninkazo maro tsy hita isa
no manaraka hatrany am-pasana
fa ny vola be momba ny lasana

I sy II Ref.:
Vola o
Hatraiza moa no fetran’ny herinao ?
Vola o
ny olona rehetra manaiky anao,
manompo anao.

III Re£
Vola o
Hay va re misy fetra
ny herinao !
Vola o
ny olona rehetra
manompo anao
andevonao.

Henri RATSIMBAZAFY
1972

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0167