Ity tany mamintsika ity (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na lazaina hoe miadana aza
Na dradraina koa hoe sambatra aza
Na ambara fa milamina aza
Ity tany mamintsika ity.

Mbola misy fijaliana, aia! aia! aia!
Mbola misy fahantrana, aia! aia! aia!
Mbola misavorovoro, aia! aia! iolmmfe aia!
Ity tany mamintsika tononkira.serasera.org ity.

Ny mpitondra antsika olon-kendry,
Ny vahoaka koa olon-kendry
Raha izany re feno olon-kendry,
Ity wscjpo tany mamintsika ity.

Mbola misy adala anefa, aia! aia! aia!
Mbola misy tsy ampiampy, aia! aia! aia!
Mbola misy misy kely, aia! aia! aia!
Ity tany mamintsika ity.

Raha izao no mba hatao fitondra
Dia lalàna iray ihany monja
Famaharinana no aoka hitondra
Ity tany mamintsika ity.

Aoka anefa tsy hiteny, aia! aia! aia!
Sao atao hoe rediredy, aia! aia! aia!
Mba tsy hilaozam-bedibedy, aia! aia! aia!
Ity tany mamintsika mljhnte ity.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bessa
Vangy : 6140
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : TSINGORY
Daty : 31/03/2005 02:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0624