Handeha hanasa lamba (Solika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Handeha re, handeha isika hanasa lamba rizareo
Sombinaiko, eny roy
Aiza, aiza ary no mba erantsika fa hariva ny andro rizareo
Sombinaiko, eny roy

Ao Anosy ve?
Anosy izay taza-maso misy lalàna, ramatoa
Tsy mba ho any anie aho, eny roy.

Ao Tsimbazaza ve ?
Tsimbazaza mamandan-damba, lamba mihaja ny anay
Tsy mba ho any anie aho, eny roy.

Aiza ihany e ?
Aiza ihany ary ity ho erantsika fa hariva ny andro, ramatoa
Sombinaiko, eny roy.

Ao Mandroseza ve ?
Mandroseza mandrovi-damba, lamban-kamboty ny anay
Tsy mba ho any anie aho, eny roy.

Ao Ankatso ve ?
Ankatso lavitra loatra, mandreraka aina, ramatoa
Tsy mba ho any anie aho, eny roy.

Aiza ihany e ?
Aiza ihany ary ity ho erantsika fa hariva ny andro, r’izy roa
Sombinaiko, eny roy.

Andohatapenaka ?
Andohatapenaka tsara rano fa tsisy vato, ramatoa
Tsy mba ho any anie aho, eny roy.

Ao Tanjombato ve?
Tanjombato tatezan-kazo ka saro-panina ny havanao
Tsy mba ho any anie aho, eny roy

Aiza ihany e ?
Aiza ihany ary ity ho erantsika fa hariva ny andro rizareo
Sombinaiko, eny roy.

Ao Mahazoarivo ve ?
Mahazoarivo ranon’andriana misy tatamo, ramatoa
Isan’ny ho any anie aho, eny roy,

Ha ha ha hiiiiiiiii
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Solika
Vangy : 4541
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/02/2015 00:28
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154