You are here: home > Tononkira > Solika

Ry zaza malala (Solika)

https://tononkira.serasera.org/hira/solika/ry-zaza-malala

Ry zaza malala, ry zanaka tiako
Fa izao no fotoana izay nandrasana hatry ny ela
Lazao izay hevitrao,
Lazao raha tsy azoazo,
Lazao, izay tianao,
Eny ve sa tsia, mba lazao.

Ry dada malala ô
(Ry zanako malala)
Ry dada tsy foy  
(Ry sombiniaina)
Ny sitrakao no mba Tsiky dia ampysitrako
(Misaotra sombiniaiko)
Ny tianao no mba tiako
(Ka faly izao ny saiko)
Ianao no antoky ny aiko, dada ô  
(Raha mandre ny alahelo sy ny tena sitraponao)
Ny tianao
(Ny tianao no tiako)
No tian'ny saiko
(Ambarao koa)
Ianao no antoky ny aiko
Dada ô, ry dada malala
(Ambarao sombinaiko)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Solika
Mpamaky : 1324
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 27/02/2015 01:18:14
ID : 7222

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo