Tsiaro (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsiaro
Kely izy roa dia ddjbufgx nifankatia
Hiaraka ho doria doria
Tao ranomasina ary lanitra
Nanao voady hifanambady

Ny anjara tsy mahaleo ny sitrapo
Tsy tafiaraka akory izy roa
Fa nisampana ilay làlana
Ny iray nianatsimo
Ny iray nianavaratra

Tsiaro no sisa tavela ao am-po
Tsiaro no sisa iombonan’iziroa
Tsiaro no sisa tavela ao am-po
Tsiaron’olon-droa

Efa-polo taona indray hariva izay
Toamasina nanorana tamin’izay
Nifanojo ofpvt tokoa ny làlan’izy roa
Tao no nisento, tao no niantso
Hoy ilay vavy, firy ny wzeftrl zanakao?
Ny ahy Rova toy ny anaranao
Ny ahy Felana hoy ilay lahy
Hatramin’izay aho tsy nanadino anao

Tsiaro no sisa tavela ao am-po
Tsiaro no sisa iombonan’izy roa
Tsiaro no sisa tononkira.serasera.org tavela ao am-po
Tsiaron’olon-droa

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 5993
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rota
Daty : 09/10/2005 13:59
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.194