Natiora Z

Nampiditra 1991
11/04/2020 07:56
Hiran'i Natiora Z 6 Jereo eto
Vangy : 618
Mpankafy : 0 Ankafizo
Ny tarika Natiora Z dia niforona ny taona 2000 tao Nosy Be. RAKOTOZAFY Etienne no mpamoron-kira, sady mpitarika no anisan'ny mpitendry ihany koa ny vondrona.
Ny fampiasaina ireo zava-maneno gasigasy ary ny gadon-kira malagasy no anisan'ny mampiavaka ny tarika Natiora Z.
Ny taona 2003 no nian-tsehatra voalohany ny tarika izay miisa fito (07) ny mpikambana tao anatiny tamin'izany. Tamin'ny taona 2007 no namoaka raki-kira voalohany ny tarika, nitondra ny lohateny ?Tsara Andriamanitra? amin'ny feo. Noho ny halaviran-toerana mo dia tsy naharitra ny mpikambana hany ka niha nalefaka ny tarika ary niafarany dia ny mpitarika sisa no hany nampijoro ny tarika. Noho ny fitiavany mozika anefa dia tsy nipetrapetraka izy fa niezaka hatrany ny nampijoro izany tarika izany ka ankehitriny, misy ireo mpikambana vaovao izay vonona hanome ny soa sy ny tsara hoantsika rehetra miaraka aminy.

Hevitra momba an'i Natiora Z

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i Natiora Z (6)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.035