MANENO FITATRA (Natiora Z)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maneno fitatra vao maraina
Ny any ambanivohitra any e!
Ireo mazoto mifoha maraina
Hiasa amin'ny vohitra any e!

Mandao ‘reo lamba izay mafana
Milanja fitaovam-piasana
Avy nihinana ody ambava-fo
Tsy kivy fa hiasa tokoa!

Angady eh eh! Sobika! (Oyeh)
Angady sy sobika maromaro ohoh!
Asiana vokatra mifangaro
Oh ya oh ye!!!

Ny ambanivolo, Oh ya oh ye!!!
Miasa daholo, Oh ya oh ye!!!
Andeha amboly vary, Oh ya oh ye!!!
Ambinin-janahary, Oh ya oh ye!!!
Handresy ny mosary, Oh ya oh ye!!!

Maneno fitatra vao maraina
Ny any ambanivohitra any e!
Ireo mazoto mifoha maraina
Hiasa ny vohitra any e!


Mandray ‘reo lamba izay mafana
Milanja fitaovam-piasana
Avy nihinana ody ambava-fo
Tsy kivy fa hiasa tokoa!


Aomby eh eh! Sarety eh eh! (Oyeh)
zezika fitaovam-piasana
ampandrosoana ny Tanana!
Oh ya oh ye!!!

Miasa tsy malaina, oh ya oh ye!!!
Satria mamelon’aina, oh ya oh ye!!!
Satria ny fambolena, oh ya oh ye!!!
No voalohan-karena, oh ya oh ye!!!
Ho an’ny firenenna, oh ya oh ye!!!

Maneno fitatra vao maraina! Ny any ambanivohitra any eeeeehhh...!


A/c: Ramarolahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Natiora Z
Vangy : 853
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 1991
Daty : 12/04/2020 15:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721