Miantefa (Natiora Z)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eny miantefa ao am-poko ao ry Raiko
Ny antsonao tsy sasa-miangavy ahy
Nefa aho fatra-pandá
Saringotin’ny fakam-panahy

Ref
Nefa tsy foinao aho na dia adala
Mpanota aho sy be siasia
Fa ny toa ahy indrindra mazana
No antsoinao modia

Fantatro fa izaho, raha toa ilaozanao
Ho solafaka mora Ihany
Ka ifonako aminao, irony heloka natao
Fa variana nanjeny, nahatoky ny hery, ny heriko hatrany,
Latsa-nenina aho ka nandrotsa-tomany

Vonona aho ny anapa-kevitra
Fa hanaraka ny lalanao
Ka ny sitrapo ratsy tsy mba lefitra
Ho afoiko izao
Ref (...)
Satria tsy foinao aho na dia adala
.......................



A/C: Rakotozafy Etienne
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Natiora Z
Vangy : 830
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 1991
Daty : 11/04/2020 17:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735