HAFA IHANY (Natiora Z)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza dia taitra ra toa ka mahita ny volana ambony
Rahoviana no lany, ombia ho ritra ny rano ao an’ony
Fa mbika daholo raha toa ka tenenina
Maka fanahy fa tsy haiko afenina
Ka impiripiry manontany tena
Fa inona loatra zareo no antony mahatonga izany a???

Ref
Tiana anana-maro zava-tsoa
Nefa hafa ihany ‘lay iray dia iray tokoa
Tiana anana-maro ny zava-tsoa
Nefa hafa ihany ‘lay tia dia tia tokoa!!!

Aza mora kivy raha toa ka mikiry ny hoe tokam-po
Fany otrik’aretina izay te-hitsiry dia resy tokoa
Raha toa ka ho haiko manomboka androany
Ianao ry malalako tokana an-tany
Fa hanjombona ihany ny lanitro manga
Rehefa zatrazatra tia mijangajanga!!!


A/C: Rakotozafy Etienne
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Natiora Z
Vangy : 648
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 1991
Daty : 12/04/2020 15:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0668