Hevitra momba an'i Nantenaina

Hiverina amin'ny Nantenaina Hampiditra hevitra
herissoa ( 26/08/2005 12:26)
Manampy ny teny rehetra nolazain'i "Zama" izaho. Nantenaina, olona tia namana sy tena mahay mifandray @ olona.
Lala, izay koa no fiantso azy, ho an'ireo namany akaiky sy ny fianakaviany. Izany hoe, Lala, Richard ary Jackson; izay lay izy telolahy ao @ groupe. Samy mahay mifandray @ olona dahalo zareo.
Isaky ny avy mianatra, dia mifampiantso izy 3 lahy, miara-manao répétition any @ Jackson na any @ Lala.
Ohatra ny hitako ery ry zareo miaraka, samy miramirana hiaraka hihira ny "Tambitamby", "Zanak'ambanivôlo" na "Saribômanga"...
Tsy adino koa fa Nantenaina dia anisan'ny nampihetsiketsika ny hira kaiamba, @ alàlan'ilay rakikira "Tampôdy". Ao anatiny ao daholo ny hira kaiamba milanto tiantsika rehetra.
zama ( 23/11/2003 17:29)
Tarika NANTENAINA :
Ahitana mpihira 2 mirahalahy( Richard no anaran'ny iray) miaraka aminy ary vehivavy iray izay tsy tena fixe .
Momba an'i Nantenaina en personne

Toetra : Olona tia mifandray @ olona rehetra
izany hoe tsy miavona.
Nahalala azy daholo izay rehetra nianatra tao Barikadimy satria tsy dia tia misehoseho loatra.
Tiany loatra ny resaka hira ka rehefa harivariva iny ka avy nianatra avy any ampianarana dia ny fialamboliny dia ny mitendry Guitare .
Anisany mpihira tiany dia ny TARIKA MAHALEO.

Fiaviany : avy any amin'ny faritra Antsinanan'ny Nosy ; mipetraka any Fenerive Est
Nianatra teny @ Université Toamasina raha ny marina dia nanao Filière ECONOMIE .
Raha tsy nisy ny fiovana dia miasa ao Toamasina amin'izao fotoana izao.
Marihina fa samy nanovo fianarana tao @ Université Barikadimy daholo izy telo lahy ireo ary iray kilasy tao @ Filière Economie.
Anisany tena nahafatarana an' ny Tarika NANTENAINA tany amboalohany dia ilay hira hoe : " Zanak'ambanivolo" izay nalaza tokoa tany amin'iny renivohitry Betsimisaraka. Ary io no cassette voalohany navoakany
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4587