ZASPAtsim Fianarantsoa

Nampiditra HajatianaDaji
9 ora lasa
Hiran'i ZASPAtsim Fianarantsoa 1 Jereo eto
Vangy : 16
Mpankafy : 0 Ankafizo

Mombamomba azy

NY ZASPAtsim dia midika hoe : Zanaka Am-pielezan'ny Synodam-Paritany Atsimonimania.
Ny Synodam-Paritany Atsimonimania kosa na ny SPAtsim dia mirafitra ao amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy na ny FLM.

Ny ZASPAtsim Fianarantsoa araka izany dia ZASPAtsim monina, miasa sy/na mianatra eto Fianarantsoa.

Maro be ny tanjona nokendrena hatrany amboalohany, saingy hatreto aloha, dia nivondrona ho antoko mpihira fotsiny ihany (Chorale) izy ireo nanomboka ny novambra 2018 ka hatramin'izao 23/04/2026 izao. Mazava ho azy fa hira evanjelika daholo no ataony.

Manana mpamoronkira maro izy ireo saingy eo ambany fitarihan'ny Pastora Roland RATOVONJANAHARY, izay Mpiandraikitra ny fikambanana no sady isan'ny mpanorina ny fikambanana ihany koa. Izy dia mpamoronkira masina, fantatra amin'ny solon'ananarana hoe : Roland RATOVONA, tsy ao amin'ny ZASPAtsim hiany fa maro be ireo miara-miasa aminy.

Hevitra momba an'i ZASPAtsim Fianarantsoa

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i ZASPAtsim Fianarantsoa (1)

© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0089