Olon-tiana ('Zay)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha toa ka ho avy ny andro iray.Voatery hajanona amin'izay.
Izao tantara iainantsika izao.
Dia izaho ho any, ianao ho ary.
Tsy maintsy hisampana indray ny dia.
Moa ve hizara koa ilay fitia ?
Dia hoy aho hoe tsy mampino,
Raha ianao 'zao no hoe adino.
Efa lalim-paka ao anaty ...
Na tsy hiaona intsony aza.
Ilay foko mbola hitabataba.
Hiantso foana ao anaty mangiana.
Hoe ianao ihany no olon-tiana.
Na ho mafy aza ny hiaina izany
Satria tsy maintsy hisento hitomany.
Ho ekeko daholo na hijaliana.
Fa ianao ihany, ianao ihany no olon-tiana.
Ho tehiriziko ao anaty Ilay fitia vita fatomaty.
Fitia iray ho anao mandrakizay.
Ny ao ampoko koa tsy ho foana,
Fa ianao, ianao ihany foana.
Ianao no haiko ianao no lalaiko.
Ka na tsy hiaona intsony aza.
Ilay foko mbola hitabataba.
Hiantso foana ao anaty mangiana.
Hoe ianao ihany no olon-tiana.
Na ho mafy aza ny hiaina izany.
Satria tsy maintsy hisento hitomany.
Ho ekeko daholo na hijaliana.
Fa ianao ihany, ianao ihany no olon-tiana.
Post-chorus :
Ianao no olon-tiana (×2)
Na ho mafy aza ny hiaina izany.
Satria tsy maintsy hisento hitomany.
Ho ekeko daholo na hijaliana.
Fa ianao ihany, fa ianao ihany no olon-tiana.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : 'ZayVangy : 8593
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ryanto_ram
Daty : 05/11/2017 09:20