You are here: home > Tononkira > 'Zay

Ho malalanao ('Zay)

https://tononkira.serasera.org/hira/zay/ho-malalanao

Toa vao haingana ihany no nahalalàko anao
Fotoana fohy ihany hatramin’izao
Nefa tsy mifankafoy mifampiankin-doha
Mpinamana mahafatra-po
Na ny manodidina aza efa mananiany
Indraindray toa mahatonga saina ihany
Hoe izay misy anao dia tiako hisy ahy hatrany
Tsy mahafoy anao aho, marina izany

Fa efa zatra anao, zatra anao
Zatra niaraka aminao
Efa zatra namanao
Ka ny ho malalanao, io indray no mba iriako
Ka ho malalako amin’izay no hiantsTsiky dia ampyoako anao

Mierikerika foana raha vao mandeha irery
Mitady anao sao lahy mba eny ho eny
Na ny nofiko aza refa matory
Raha vao tsisy anao dia manorisory
Rehefa iny aho oriory tsy mety izay atao
Misava avokoa raha vao antsoinao
Ireo oram-pifaliana indray no ahatsapako
Fa tsy feno mintsy raha vao tsy eo ianao

Fa efa zatra anao, zatra anao
Zatra niaraka aminao
Efa zatra namanao
Ka ny ho malalanao, io indray no mba iriako
Ka ho malalako amin’izay no hiantsoako anao

Hevitra mandeha

mamiando (17/08/2017 14:28:15)

(y)

Andriamirija ismael (18/09/2015 08:52:57)

Ieuh, ten mahfnartr be le hira, ar ten iainan le iz ,mankasitrak n tarik 'zay

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 26887
Mpakafy : 5 Ankafizo
Nampidirin'i : ari.malala
Tamin'ny : 04/10/2007 14:08:40
ID : 4762

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo