Taninjanaka (Zakai)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Handray kôzy aho raha toa tsy mahadiso ah
Ireo latsa-drà efa tsy voahisa
Ry Ray ambony oh! Omeo anjara masoandro ihany ilay Gasikara fa vizana
An-trano tsisy rano ny vary mila tsy ho voavidy
200 kilometatr'ora ny fahantrana eny amin'ny ville
Mivarina any an-kady ity raha toa ka tsy voavily
Na ny zanakin'ny zanako aza hiteny hoe fa rahoviana ihany ilay fahafahana
Idio tsara ihany ny varavarana fa misy lacrymogène
Mitapify anatin'ny haizina ambony farafara
Ireo natao hiaro indray no lasa fahavalo
Hijoro tsy ho tapenam-bava, na lehilahy io na vavy ah
Hatramin'ny zaza maty mbola hijinja izay nafafy ah
Maitso fotsy mena izahay hitafy ah, mangataka ilay zo fa sanatria raha hoe higafy ah

Ref : (x2)
Marary anay ka aleo izahay hiteny, efa poizina ve mbola hitelina
Raha ny jiro aloha androany tsy invité, fa ny foko aloha dia mbola mitempo
Ho an'ny Taninjanaka oh, Taninjanaka oh (x2)

Dédicace ho an'ny Gen Z, dédicace ho an'ny Capsat
Izahay tsy mila fitondrana mpamosavy
Volan'ireo tsy hita amin'izany nefa ny vahoaka mijaly
Manomboka eto tsisy manaiky ho voavidiny amin'ny drala man
Represent izahay Analamanga
Tsy hanaiky ho lolonan'ny boto eny amin'ny lalana
Raha mokon-doha ny aty koa manana
Aleo izahay haneho hevitra malalaka aza raràna
Fa ianareo ve mifoka rarany ah
Samy zana-bahoaka ihany ialahy koa hiarany rehefa mody any an-trano
Tandremo raraka eo ka aty aminay no hiteny hoe mba hametrao, tsisy
Hijoro ho an'i Tanindrazako, raha mandeha irery aho anefa dia manjary zava-poana
Ka handao hiaraka handroso ry havako, hisintona an'i Gasikara tsy ho any anaty lavaka oh

Ref : ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zakai
Vangy : 186
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anaf Andriam
Daty : 07/11/2025 12:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0179