Ampidiro aloha ny tenimiafina
Iarivoko (Telofangady)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iarivoko
Any tokoa mantsy anie izy izay
Ilay vohitra tiako, ’lay any aminay
Mahatsiaro toa very aho ka dia velon-tsento e
O ry vorona irony ! koa ty aho ilyclw e mba ento
Ny volon’andro efa miha malomaloka
Ny tana masoandro aza mila tsy ho tazana
Niondrika mora aho ka dia niala satroka
Tena miaky mihitsy aho, olona sarakavana
Ianao mantsy ry voron’iny,
ianao no hinoako fa ho afaka
Avia re raha toa tsy ho tsiny,
hiangaviako hitondra ity hafatra
Fa manina loatra aho izany !
ka tononkira.serasera.org toy ny adala mikiaka ny hoe :
Ry Iarivon’Imerina o ! Ry Iarivon’Imerina !
Ry Iarivon’Imerina o ! Zaho anie mbola hiverina a
Toa tapa-porohona anivon-drano
Mitady izay tanjona mba hitodiana
Ny maso mijery no manganohano
Manembona mafy an’ilay niaviana
Ny tena tsy laitra dia ilay fahatsiarovana
Toa aloka tsy maty ka mahatorovana
Tsy miova f’izao ihany re no mba teniko
Endrika ravoravo no mbola hiverenako
Mba satriko lahy ny honina eto,
raha ny misy ahy izao no heverina
Tiako kanefa tsy haiko,
fa ny embona anao re r’Imerina
Eny ry Iarivo veloma ihany,
raha mbola tsy maty voatoto-tany,
Ry Iarivon’Imerina o ! Ry Iarivon’Imerina ! ptaf
Ry Iarivon’Imerina o tilqnzp ! Zaho anie mbola hiverina a

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : TelofangadyVangy : 6497
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Bditra
Daty : 03/07/2008 14:54