Tiako aloha (TARIKA TSINJO)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I-Izao isika faly eryFa nifankahita indray ny mpifankatia
Saingy antsokosoko ihany, izany fiarahana izany
Lay malalanao miandry anao
Tsy hay hoe, inona no nahatonga izao
Ditra ve sa ny fitiavana
Ianao efa nanaiky taminy, teo ambony alitara
Fa ho tia azy mandrakizay
Ref- Tiako aloha, raha ianao, no eo anilako rahatrizay
Fa ho nofy izay, ho nofy ihany,
F’aleo ho mpinamana tsotra eh!
Mandehana ianao mody @ izay,
Fa miandry anao lay anakiray
Tsy manam-po, tsy mana-tsiny
Miandry fatratra anao ery
Tiany ianao, tsy foiny ianao, ianao ilay malalany
II-Iriko isika mba ho hendry @ izay
Ampy izay ditra rehetra vita izay
Aleo sisa ho mpianadahy,
Na ho mpinamana tsotra ihany koa
Ireo zava-bita taloha aoka hivalona any
Izao ranomaso hisarahana izao
Enga anie hitondra ampitso vaovao
Izay vita aoka hivalona any,
Mangina ianao fa aza tomany
Dia mampamangy an’ilay vadinao
TSINJO 2003
EXTRAIT DU VOL 2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : TARIKA TSINJOVangy : 3529
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 05/02/2003 11:49