ALEO FARANANA (TARIKA TSINJO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny androm-piainako teo anilanao
Fangirifirina e!sy jaly no niaretako
Tsisy hafaliana, tomany foana
Tsy nahitana ny masoandro mihiratra e!

Hadin-tsaina fôna, mameno ny fiainako
Mila ho isan’andro tsy misy hitarainako
Tsy tantiko e! na de tia anao aza aho
Koa de aleoko ho faranana
F’hitady hafa aho hiadanana
Zay ho solonao vaovao

Fa tiako lôtra ianao fa saro-tiavina
Nomenao ny hafa koa ilay fitiavana
Fa na hafenina aza hiako fôna e!
Na velona aza ianao aleo aho hisaona e!
Koa de aleoko ho faranana
F’hitady hafa aho HIADANANA

Ny fandeferana misy fetrany ihany
tsy ho mandrakizay raha ny ahy manokana
Nofo aman-drà mahatsiaro marary
Na ianao aza tsy hatanty izany
--------
Rohy:
Hevitra
azteca ( 05/11/2019 08:25)
tsara loatra
efa tena ela mihitsy no nitadiavako ity hira ity, saingy samy tsy nisy haiko na ny lohateniny, na ny mpihira azy
hitako ihany
milay e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TARIKA TSINJO
Vangy : 7050
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : whitney2
Daty : 18/01/2008 17:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121