Zanako ianao (Tanora Marina Ambohitratrimo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ny mahaolona no itodiana
Tsy misy izay mendrika ho Anao
Samy efa nivily avokoa,
Ka tsy mendrika akory ny amoa
Nefa dia noamariniNao tamin'ny ràNao

Indro fa tonga vaovao ny fiainanay izao
Vaosasan'ilay ràNao ny otanay
Ny batisa no lalana iray, iterahaNao anay indray
'Zany no mahatonga Anao miantso anay hoe:
    
  Réf:
      ZANAKO IANAO, zanaka tiaKo
      MalalaKo ianao, malala eo imasoko
     Eny tiaKo tokoa ianao
     Sy be voninahitra

Izao re no vavaka izay asandratray ho Anao
Tehirizo hatrany ry Ray izahay
Ka raha tonga ilay andro iray
Izay handaozanay ny eto indray
Tsy hisalasala Ianao hiantso anay hoe:

     Réf:
      ZANAKO IANAO, zanaka tiaKo
      MalalaKo ianao, malala eo imasoko
     Eny tiaKo tokoa ianao
     Sy be voninahitra
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tanora Marina Ambohitratrimo
Hits : 358
Likes : 0 Like
Created by : Jsjs
Date : 19/01/2025 16:04
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0201