Saino ihany (Tanora Marina Ambohitratrimo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sao variana ,variana mitady hasambarana
Dia adino ny Tompon'ilay fiadanana
Ny vola, ny laza, ny harena be
Voninahitra mandalo ihany
Tsy mahavonjy fa mijanona eto an-tany.
  
    SAINO IHANY ny zavatra any ambony any  
    Fa tsy ny zavatra izay mandalo ihany eto an-tany
    Lalana tokana ihany anie
    No mitondra anao mankany
    Jesosy Tompo no raiso ho mpamonjy anao

Efa vita ,efa vita ny fampihavanana
Ianao no andrasana amoha varavarana
Jesosy efa ela no niandry teo
Niandry anao mba hampiditra an-trano
Tsy mety kivy Izy fa manantena hatrany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Marina Ambohitratrimo
Vangy : 58
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jsjs
Daty : 14/01/2025 17:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1014