Resy tsy miady. (Solika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Resy tsy miady anie aho raondriana
Ka mila ho tòn'ny hakiviana

Eh lahy ny ankizy amin'izao andro izao
Mody manao an'izay tsy fanao
Narian'ny tanora ireo fahendrena
Izay efa nananan'ny razan'ny tena
Resy tsy miady anie aho raondriana
Ka mila ho tòn'ny hakiviana
Resy tsy miady anie aho raondriana

Izay rehetra ataony toa fomba vahiny
Fa ny an'ny razana efa nariany
Ireo tovovavy dia mipataloha
Mipololotra amin'ny sigara koa
Ireo dihy gasy izay maro mpizaha
Dia efa nosoloiny ny tsà tsà tsà
Resy tsy miady anie aho raondriana
Ka mila ho tòn'ny hakiviana
Resy tsy miady anie aho raondriana

Mba tombano indray ireo tovolahy
Mihevitena azy ho tena rangahy
Ny fianarana tsy hay velively
Fa lany fotoana amin'ny madimozely
Avy midola ry sombiniaina
Dia miloka karatra ery an-jaridaina
Resy tsy miady anie aho raondriana
Ka mila ho tòn'ny hakiviana
Resy tsy miady anie aho raondriana

Ry maro tanora hafarako ianao
Ny fomba tsy mety no mba ialao
Ianao no ianteheran'ity firenena
Ka kendrikendreo ny hitondrana ny tena
Ireo fandrosoana mba fidifidio
Ny tsara tazony ny ratsy ario
Resy tsy miady anie aho raondriana
Ka mila ho tòn'ny hakiviana
Resy tsy miady anie aho raondriana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Solika
Vangy : 2855
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 12/12/2013 15:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.192