Mpindrana (Sanih)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia marary tsy anomezako tsiny
Sa ve 'zah no adala na efa nahalala,
Tsy haiko hoe jamba loatra aho
Mpindrana ihany moa tsy maintsy hoe manaiky aho
Tsy te hiala anao aho
Hay moa ny antsika kilalao

Fa mankasitraka foana aho
Nampianatra ahy hizatra aretim-po
Fa 'zah koa mbola tsy nanao ratsy anao
Tsy hitalaho fa hitso-drano anareo roa
Aza mahatsiaro na dia kely akory ary
Ianao mahalala hoe izao no mahasoa anao
Rehefa eny andalana aza miherikerika intsony
Ny lalanao zory

   Ref : Na dia nindrana aza aho
            Na tsy tompony aza aho
            Tsy nanararaotra aho fa nitia anao madio
            Nisafidy azy ianao
            Aza anenenana akory
            Fa hanampy anao aho hanadino ahy

Aza manahy fa 'zah tsy hanimba ny fahasambaranao
Na dia nanantena tsisy aho, tsy ataoko olana mihintsy
Ianao manan-tsafidy
Fa namana ihany no niandohana
Dia izany koa ve no mbola hiafaràna
Sarotra ny hamerina izany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sanih
Vangy : 32
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jim24
Daty : 22/10/2024 17:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748