Fanantenana (RR Majunga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iny rahona mandalo iny
Dia mbola hisava ihany
Ka na maizina aza ny dia
Ho kivy ataovy sanatria

Herezo re ny saina
Hatanjaho ny aina
Tsy hisy ny taraina
Tokana ny herinay
Sy ny tokinay
Ianteheranay

Ny manantena ihany
No tsy resy eto an-tany
Tafita hatrany hatrany
Mankahery ny fo
Mahamaivana manjo
Ny fanantenana.

Nefa raha sendra ka mikija
Irony oram-pahoriana
Tsarovy fa mbola misy ao
Anjara masoandronao

Koa aza kivy foana
Na resy ambony ihany
Dia aza mba tomany
Tsarovy anoloana
Hankahery anao
Izao teniko izao

Ny manantena ihany
No tsy resy eto an-tany
Tafita hatrany hatrany
Mankahery ny fo
Mahamaivana manjo
Ny fanantenana.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RR Majunga
Vangy : 2216
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 25/02/2019 21:52
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107