Ianao (Ossy sy Emilienne)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Ossy)
Raha eto anilanao aho no mikalo
Ny vetson'ity hira tsy foiko
Sanatria tsy mba nataoko ho an'ny mpandalo
Fa ho anao ihany no ikaloako

(duo)
Ianao no hiràko izao hira izao
Handrotsirotsy ny torimasonao
Hanala ny sorisory sy ny sentosentonao
Hahatsiarovanao ilay tia anao

Ianao no hiràko izao hira izao
Raha niventso izany ny foko mitaraina
Zary nofinofy no ahitako anao
Mitsikim-pifaliana vao maraina

(Emilienne)
Sombin'aina, satriko mantsy ny ho doria
Ilay fitia nokoloiko
Hazo dianan'anao ny foko satria
Ho anao ihany no hikaloiko

(Duo)
Ianao no hiràko izao hira izao
Ka tadidio raha azonao atao
Ny hafatra apetrako aminao
Fo iray mitempo izaho sy ianao

Ianao no hiràko izao hira izao
Ary na aiza na aiza raha eto an-tany sombin'aina
Hiara-dia hatrany tsy hifandao
Raha mbola samy velon'aina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ossy sy Emilienne
Vangy : 44
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Kotsur
Daty : 30/05/2026 17:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1101