Vola (Oladad)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
♩ ♪ ♫ ♬

Eeeeh
Very any aba ny fihavanana ndra Malagasy tratsandra vola

Fotsy, Mena, Maintso
Gasikara

♩ ♪ ♫ ♬

Eeee, tsa raisin'olo koa ny Ariary e
Eeee, misondro-bidy koa ny vary e
Eeee, tsa manambola agnao marary e
Eeee, mitadiava mba ho lavorary e

Manomboka ny taona, miposaka ny masoandro
Maraina mifoha, ny vola no ao an-doha
Mandinika indray, aiza indray no mety ho làlana
Mitady androany mba hihinana androany

Lamba rovitra, noana sy mangovitra
Mampiasa sandry, raha te hihinana sy ho faly
Te hitovy amin'ny olona
Miaina ohatra ny olona ô , tsy maintsy mitady
Mandrapahafaty, mandrapahafaty, mandrapahafaty

♩ ♪ ♫ ♬

Matim-bola aba ny olo (matimbola)
Vola no maha rangahy (hendriaho e)
Fa raha ny sasany aba (matimbola ny olo)
Vola ro hozatsy ny fiaigna (handriaho e)
Vola, hay, vola, hoy
(x2)

Ieh,
Ny harena no sarotra, fa ny vola fitady
Samy manana ny olany ny tsirairay, misy olana mianjady
Isan'andro, isan'ora
Tsy maintsy hitady vola, fa tsy vita mora ny fiainana
Mihasarotra ka tsy maintsy mikaroka, hanao ny ratsy
Hanao ny soa, tsy maintsy mitady ny fiainana tsaratsara kokoa

Ka rehefa tapaka, mivaro-pananana
Takalom-patsa hono vidim-pihinanana
Niaretana ny mafy, ny aina no amidy
Fitiavana voavidy vola
Mandrava ny firaisankina, na ny namana, na ny havana
Fa samy te hanana (x3)

♩ ♪ ♫ ♬

Mampivoendry e, tsa maharokaka e (mba te hitovy amin'ny ona)
Ny ahitagna ny ivelomana e (...........ndra vola)
Fototsy ny hasambarana e (...........ny fahoriana)
Tsa itandrova ny hasasarana e (hahazahoana ny hafaliana)

♩ ♪ ♫ ♬

Matim-bola aba ny olo (matimbola)
Vola no maha rangahy (hendriaho e)
Fa raha ny sasany aba (matimbola ny olo)
Vola ro hozatsy ny fiaigna (handriaho e)
Vola, hay, vola, hoy
(x2)

Ioh,
Miketrika isanandro ô, maraina atoandro ô
Fitadiavana io, iô tsy ahafantarana
Tsy ahalalana namana io, havana io
Mibahan-toerana : fitiavam-bola, iô tsy manambola
Tô kivy, mirarak'ivy mieritreritra fa vola foana
De izany fôna isan'andro isan'andro
N'aiza n'aiza alehanao
Tô mila anazy e, mitady anazy e (x2)

Mandra-paha tapitry ny taona ny anay tsy miato ô
Tsy maintsy miady, mandra-pody masoandro
Mampiasa sandry, vatana tsy maintsy tomady
Matanja-tsaina tsy malaina, izany no ilaina (x2)

Tsemboka vao homana, ny tena no atao sorona
Ny tena no atao sorona fa tsy hionona ô

♩ ♪ ♫ ♬

IIoooyy
Mbay làlana, mbay làlana
Oladad, ô raSim a
Tataroa

♩ ♪ ♫ ♬

Eeee, tsa raisin'olo koa ny Ariary e
Eeee, misondro-bidy koa ny vary e
Eeee, tsa manambola agnao marary e
Eeee, mitadiava mba ho lavorary e

Matim-bola aba ny olo (matimbola)
Vola no maha rangahy (hendriaho e)
Fa raha ny sasany aba (matimbola ny olo)
Vola ro hozatsy ny fiaigna (handriaho e)
Vola, hay, vola, hoy
(x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Oladad
Vangy : 48
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Liva_R
Daty : 06/11/2024 16:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1317