Harem-panahy (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
xobmo Raha tapitra cwqrok ny androko ety, an-dapanao Jesoa qghmjb no tiako
Ao tsy manana ahiahy, feno toky ny fanahy
Ao tsy misy fisentoana, fa toa feno haravoana
Samy faly midera an’Andriamanitra, fa nahazo ny lanitra

‘Ty hita maso ity zay tsy mahafa-po,
Hisolo paradisa zay hifalian’ny fo
Ao tsy misy ranomaso, na koa fanaintainana
Fa hafaliana tsy hita lany, Hasambarana hatrany

Ry mpivahiny eto an-tany! Izay sondriana fatratra,
aza variana tononkira.serasera.org ny mitady, ny harena mora lany
Fa matokia an’ny Nahary, minoa an’
Andriamanitra
Katsao ny harena tsara indrindra, ny
Harem-Panahy tsy mety lany

He vetivety foana re,Ny ety an-tany Andro fohy mora lany,
Andro fohy tsy maharitra,
He vetivety ny ety an-tany
Indreny fa mirenty, ny hoso-doko mora lefy
Mandravaka ny trano lay, trano lay tsy maharitra
Fa hafa kosa, fa hafa kosa
Ny lapan’Andriamanitra

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Vangy : 2821
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Faliana2402
Daty : 09/03/2016 11:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0413