IZAHO MAHATOKY ANAO (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
IZAHO MAHATOKY ANAO

Raha misy zavatra miseho
Izaho Jesoa matoky Anao
Ny adin-tsaina avelako eo
Fa ny fantatro dia izao
He velona aho ka miaina soa
Miaraka Aminao Jesoa
Dia mitony sy milamina ny fo
He velona aho ka miaina soa
Miaraka Aminao Jesoa
Dia mitony sy milamina ny fo

Tsy miala ety an-tany ety
Ny ady mety handratra fo
N’inona mahazo ety
Mampandresy ahy Ianao Jesoa
Fa ny hany voadiko dia izao
Izaho Jesoa tsy hiala Aminao
Izany re f’izaho tena matoky Anao
Fa ny hany voadiko dia izao
Izaho Jesoa tsy hiala Aminao
Izany re f’izaho tena matoky Anao

Raha misy mampanahy (Izaho matoky Anao)
Arovy aho re ho sahy (izaho matoky Anao)
Izaho Jesoa matoky Anao
Aretina va re? (Izaho matoky Anao)
Sa fahasahiranam-be? (Izaho matoky Anao)
Izaho Jesoa matoky Anao
Izaho Jesoa matoky Anao

Tsaroako Ianao niteny hoe
Indro izaho momba anao
Izay no mahatonga ahy handeha
Tsy hanana ahiahy toy izao
Na misy tafiotra aza anie
Eny an-dàlana aleha
Inty aho fa vonona hatry ny ela be
Na misy tafiotra aza anie
Eny an-dàlana aleha
Inty aho fa vonona hatry ny ela be

Raha misy mampanahy (Izaho matoky Anao)
Arovy aho re ho sahy (izaho matoky Anao)
Izaho Jesoa matoky Anao
Aretina va re? (Izaho matoky Anao)
Sa fahasahiranam-be? (Izaho matoky Anao)
Izaho Jesoa matoky Anao
Izaho Jesoa matoky Anao

Raha misy mampanahy (Izaho matoky Anao)
Arovy aho re ho sahy (izaho matoky Anao)
Izaho Jesoa matoky Anao
Aretina va re? (Izaho matoky Anao)
Sa fahasahiranam-be? (Izaho matoky Anao)
Izaho Jesoa matoky Anao
Izaho Jesoa matoky Anao
Izaho Jesoa matoky Anao
Izaho Jesoa matoky Anao
Izaho Jesoa matoky Anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Vangy : 2096
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 28/01/2020 19:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073