FIRAISAN-KINA (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avelao izahay hifankatia
’Zao fiainan-tsarotra izao
Hifanampiana indray
Avelao izahay hifampitantana
Fa zava-kanto iray
Mifampifamatotra anay

Avelao ’zahay hifampikalo eto indray
Tsy hisy hahasakana
Ny hiranay
Avelao ’zahay hiara-hampiara-peo
Iarahanay
Hatolotray anareo

Avelao ho hitan’ny havany eo
Izay tsy miray hina
Izay tsy mety hampiara-peo
Hanome fifaliana

Hitsikitsikio ireo
Mitazan-davitra any ho ralgebm any
Hitsikitsikio koa
Ho tonga saina ka ho avy
Ho avy hanatevina
Izao nuuiiihe fiarahana izao

Avelao ho hitan’ny havany eo
Izay tsy miray hina

Andeha hanampy fitia
Izao isika vory eto izao
Arahintsika hirahira izany
Avelao hiavaka eo
Izay tsy mankasitrak’izany
Fa
Tsy maintsy hamoy ilay androny

Raha misy tononkira.serasera.org ny mahantra
Raha misy ny mijaly
’Zahay izao koa anisany
Kanefa na izany
’Zahay tsy maintsy faly
Sady hampifaly
Anareo ’zay mihaino anay

Avelao........
Hitsikitsikio ireo.......
Avelao........

    pimgehd                                 NJILA

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 3944
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Linah D
Daty : 04/08/2003 14:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0336