RIVOTRA MITSIOKA (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mr SAYDA - RIVOTRA MISIOKA

Voice off:
(atolotray mitsam ho an zay nanaraka anay hatrany am-piatombohana...
Mbola mitoy foana ny tantara.
Miandravola sy Mahandry )

Maraina vaovao ity ry namako ô
Tsofy rano aho mbola lavitra ny lalako ô
Omby lahy mazava loha hoy ny teniny e
Ka tsara mandroso no tsara miverina e!!

Raha handeha hianavaratra hahita mamy!!!
Raha handeha hianantsimo ahita vady
Raha hiakandrefana hahita ny masoandro
Raha hiantsinana ho ambininy isan'andro

Tahaka ny habakabaka mantsy ny fiainanay
Mampiazakazaka lava ny dianay
Asa re raha oviana vao tonga e
Fa ny vintana sy lahatra mitondra e

Indraindray malahelo dia saroman-tsiky
Mitady mpanafana rehefa mangatsiaka
Mitady ny hazavana rehefa maizim-pito
Satria olombelona ihany.

Rivotra aleo aloha mba hifofofofo.
Hitsoka sy handena...
(Handena anao handena anao)
Fa ny masoandro rahapitso no porofo fa mbola mahazo manantena...
Manantena foana anefa ianao.

Aleo hoavy izay ho avy fa izahay mahandry e!!
Aleo hoavy izay ho avy fa izahay mahandry e!!
Izay miandry an-dravola no miandrandra harena e!
Fitiavana no zaraina.

Tehirizo ao am-ponao fa aza ariana.
Fa ho atao sovenira any aoriana...
Hoe
KELY IANAO TANY AM-PIANDOHANA E! FA LEHIBE INDRINDRA NO NIAFARANAO!!!

Ay ay ya!!
Izay vita tsy anenenana fa ny ampitso jerena...
Ianao miloloha lanitra dia indraindray koa mba lena.
Tsisy hoe manakarena anie no sambatra e!
Na tsy manambola ianao mety hoe be fitiavana e!
Ny niandohana izany lesy tsy azo ariana...
Izay mbola azo alamina dia alamino.
Aza adino ny misaotra ilay Ray mitsinjo...
Tsy ho tapitra fa mitohy foana ny lalana a!

Rivotra aleo aloha mba hifofofofo.
Hitsoka sy handena...
(Handena anao handena anao)
Fa ny masoandro rahapitso no porofo fa mbola mahazo manantena...
Manantena foana anefa ianao.

Aleo hoavy izay ho avy fa izahay mahandry e!!
Aleo hoavy izay ho avy fa izahay mahandry e!!
Izay miandry an-dravola no miandrandra harena e!
Fitiavana no zaraina.

Tehirizo ao am-ponao fa aza ariana.
Fa ho atao sovenira any aoriana...
Hoe
KELY IANAO TANY AM-PIANDOHANA E! FA LEHIBE INDRINDRA NO NIAFARANAO!!!


#by art safidy (safidyenglish)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 535
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : safidy.english
Daty : 23/11/2022 08:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746