Tia anao aho (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nahay nifankahazo fa tsy nifankafoy
Efa fantatra fa mety tsy hitohy
Nefa aza hadino fa tia anao aho

Namoronako vazo fa tsy matiko lolo
Izaho no adala tsy nahasahy nikolokolo
Hahatsiarovanao fa tia anao aho

Fa efa dila ve ny antsika ny ririnina
Olon-kafa indray no toa efa fihininao
Nefa aza hadino fa tia anao aho

Nomen'i Zanahary ianao fa izaho tsy ambinina 
Sao dia izaho kosa no tena tsy ampahafiriny
Tsy haiko aloha fa tia anao aho

Na handeha any ho any fa indray andro any
Tsy maintsy hanontany ny fonao ao aminao
Izaho hamaly anao hoe tia anao aho

Aleo hihodina ny tany, ny tsara koa tsy lany
Fa ny antsika roa kosa mbola hafa ihany
Fantatrao tsara fa tia anao aho

Irariako ianao hitady hanambady
Ho ataon'ny bandy hoe iny ilay mpanjakavavy
Nefa kosa tsy hanadino fa tia anao aho

Izaho atý tanam-polo efa sasa-miandry
Marary fo izaho tsy afaka hidona sandry
Manantena sisa hoe mbola tia anahy ianao

Raha sendra mahatsiaro any aoriana mandalova
Fantatrao fa  ny adiresiko tsy miova
Miandry anao aho fa tia anao aho

Ka any aoriana any ianao hiteraka lahy
Ny masony mitsiky no ahatsiarovanao anahy
Ahatsiarovanao ilay bandy tia anao

Na handeha any ho any fa indray andro any
Tsy maintsy hanontany ny fonao ao aminao
Izaho hamaly anao hoe tia anao aho

Aleo hihodina ny tany, ny tsara koa tsy lany
Fa ny antsika roa kosa mbola hafa ihany
Fantatrao tsara fa tia anao aho

Aleo hihodina ny tany fa na tantara mamy aza
Indray andro any mety manam-piafarany
Mirary soa ho anao aho, na mbola tia anao ara aho.  
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 10128
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 25/06/2020 23:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.082